|
Mangarano Toamasina : Tsena- Mihena ny 50% ny varotra |
|
Raha jerena amin’ny ankapobeny ny teto Toamasina dia nilamina ny fety, ka samy nahavita na nanao ny nahafa-po azy tamin’izay teo ampelan-tanany ny tokantrano tsirairay.
Mifanohitra amin’izay anefa ny varotra. "Tsy mamely ny tsena, hoy ireo mpivarotra, raha nampitahaina tamin’ny taon-dasa." Nanambara ihany koa izy ireo fa mety noho ny fahasahiranana izay andalovan’ny firenena amin’izao no mahatonga izany satria mitandrina ny olona mba tsy handany be loatra satria mbola tsy fantatra ny rahampitso. |